Nirefodrefotra ny basy: nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy teny Ambohidratrimo

Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary, tetsy Sabotsikely Ambohidratrimo, omaly maraina. Nikasa hanafika tokantrano ny olon-dratsy no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana.

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy tao amin’ny fokontany Sabo­tsikely, kaominina Ambo­hi­dratrimo, omaly, tamin’ny 1 ora maraina. Maty voatifitra ny jiolahy iray. Tavela teny an-toerana ny fitaovam-piadiana nampiasainy. Nikasa hanao fanafihana tao amin’ ilay fokontany ny andian-jiolahy. Nifanehatra tampoka tamin’ny zandary mpanao fisafoana isak’alina. Telo lahy no tompon’antoka tamina fikasana hanafika.
Vao nahita ny zandary izy ireo, nitsoaka avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana sy fifampitifirana. Vokany, maty ny jiolahy iray. Ta­fa­poritsaka ireo namany anankiroa. Tao anatin’ny fifanjevoana no nanapoaka basy nitifitra ny iray tamin’ireo jiolahy. Nomarihin’ny zandary fa tsy mbola fantatra ny mombamomba ilay jiolahy maty.

Telo hafa voatifitra
Lavon’ny zandary tao An­drevorevo, Analalava, om­aly tamin’ny 1 ora maraina, ny jiolahy telo. Nitaraina ho very omby teny anivon’ ny mpitandro filaminana ny renim-pianakaviana iray. Ny fiandohan’ny volana mey no nisehoan’izany. Nanao paikady hisamborana ireo mpangalatr’omby ny mpitandro filaminana. Nifa­ne­hatra tamin’ny olon-dratsy tao amin’ny kizo fieren’ireto farany ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, lavo ny dahalo telo. Mpa­merin-keloka amin’ny halatra omby ao an-toerana izy ireo. Efa voatifitra tamin’ny taona 2004 ny iray, noho ny fangalaran’omby. Rehefa sitrana dia namerin-keloka ka niafara tamin’ny fahafatesany.

Jean Claude/Tsiferana R.

Partager sur: