Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika «héroïne» voasambotry ny polisy tetsy Antsalovana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina, tra-tehaka teo am-pitsindronana izy. Tovolahy 23 taona ity voasambotra. Niaiky ny heloka izy. Nilaza tamin’ny mpanao famotorana fa efa am-bolana maro no niankin-doha tamin’ ny zava-mahadomelina.
Karohina ny namany, voalaza fa mpividy izany. Tra-tehaka tao amin’ity lehilahy ity ny fitaovam-pitsindronana fampiasany. Nentina hatao famotorana ka hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Tsiferana R.