Andranomaimbo Antsirabe : dimy lahy mpaka trondro nosamborina

Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ataon’ny polisy ireo dimy lahy tratra naka trondro tao amin’ny farihin’An­drano­maimbo, Antsirabe. Mampi­taraina ny vahoaka sy ny manodidina ny fiparitahan’ ny trondro maloto avy ao amin’ity farihy ity. Tsy hay ny manavaka izany amin’ny trondro madio noho ny fikarakarana ataon’ireo mpaka azy mialoha ny hivarotana. Nomarihin’ny polisy fa voararan’ny lalàna ny fivarotana zavatra miteraka voka-dratsy ho an’ny fahasalamana. Nanao hetsika manokana ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe Antsirabe, afakomaly, mba hiadiana amin’ izany fampihinana sakafo maloto olona izany.
Vokany, tratra teo am-pakana trondro izy dimy lahy, niaraka ta­min’ny fitaovana fampiasany. Niaiky izy ireo fa efa mpaka trondro matetika ao.

Jean Claude

Partager sur: