Jly Rakotoarijaona Josoa : “Taninketsan’ny Foloalindahy ny Semipi”

Miavaka raha samy sekoly fanofanana miaramila ny sekoly miaramilam-pirenena na Semipi izay nankalaza ny faha-100 taonany tao Be­ra­vina – Fianarantsoa, omaly. Taninketsan’ny foloalindahy malagasy ny sekoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rako­to­arijaona Josoa. Tsy fanofanana fotsiny. “Mamolavola olom-pirenena vanona eo amin’ny fomba fisainana ha­tramin’ny fitondrantena”, hoy izy. Notoloran’ny filoham-pirenena Rajoelina, sady filoha faratampon’ny Foloalin­dahy ny “épaulettes” ho an’ ireo mpianatra sangany amin’ ireo andiany 2022 – 2023 nan­dritra ny fandraisana azy ireo anatin’ny fiainana maha miaramila. Misy amin’ireo mpianatra sangany hanohy ha­novo fahalalana amina se­ko­ly miaramila “Lycée militaire de Prytanée” any Frantsa.
Tsiahivina fa niorina ny 25 mey 1923 tetsy Betongolo ny sekoly. Niova anarana im-balo, navadika ao Beravina Fianarantsoa, ny taona 1964. Mandray ankizy manodidina ny 50 isan-taona eo. Aori­an’ ny fahazoana bakalorea, afaka misafidy ny hanohy fianarana amin’ny fampianarana ambony, na miditra amin’ny kilasy fanomanana ahafahana mifaninana hiditra amin’ny “Aca­démie militaire” (Acmil), ireo mpianatra.

Tsiferana R.

Partager sur: