DGSR – Hetsika Pantekoty hieren-doza… : tsy handeferana ireo fiara tsy manara-dalàna

Hanatanteraka hetsika fitsirihana ara-teknika ireo fiara mifamoivoy an-dalambe mandritra ny fito andro (omaly hatramin’ny 1 jona 2023), ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR),
amin’ny alalan’ireo sampandraharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika an-dalambe…

Eo koa ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy no­ho ny fahamaroan’ireo fianakaviana manam-pikasana hi­tondra fiara hisintaka ny Renivohitra. Nambaran’ny eo anivon’ny DGSR fa hamafisina koa ny fitsirihana ara-teknika eo am-piaingan’ireo taksiborosy rehetra eny amin’ny tobim-piantsonana. Ao ana­tin’izao hetsika izao, hisokatra koa ireo fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy, anio hatramin’ny 12 ora, mba hahafahan’ireo sampandraharaha mijery ny mombamomba ny fiara. “Tanjona amin’ity hetsika Pantekoty hieren-doza dia ho fisorohana mialoha ny lozam-pifamoivoizana niseholany tato ho ato sy ho fiarovana ny ain’ireo mpampiasa lalana rehetra. Ary koa mba hahafahan’ny olon-drehetra mankalaza ny fetin’ny Pan­tekoty am-pilaminana lavitry ny lozam-pifamoivoizana”, hoy ny fanazavana. Hojerena manokana ireo fiara mamoaka setroka mihoapampana ary arahi-maso koa ireo fivezivezen’ny moto manao fitaterana olona ivelan’ny renivohitra.

Hamafisina ny fanaraha-maso

Toy izany koa ireo mampiasa fiara mitondra laharana vahiny, indrindra ny “WWT”, ary ny fampiasana ireo jirobe mahajambena “LED” amin’ny alina, fanentanana sy fampahafantarana ny fampiasana fitaratra matroka misy “Pel­licules”’. “Tsy hisy ny fandeferana amin’ireo fiara hita fa tsy manara-dalàna ka mety hitera-doza na hampidi-doza ho an’ny hafa”, hoy hatrany ny DGSR.
Nisy koa ny fanentanana ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana ary ireo andraikitry ny zandary sy polisy eto Antananarivo Renivohitra, nanomboka ny 17 ka hatra­min’ny 24 mey 2023 teo, nataon’ny teknisianina ao amin’ny DGSR. Nisitraka izany ireo zandary miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, Imerina Centrale ary Tana/Ville sy ireo polisy ao amin’ny kaomisaria foibe : Tsaralalana, Sabotsy Namehana ary Tan­jombato, miampy ireo any amin’ny faritra. Tanjona dia ny fampiharana ny lalàn’ny fifamoivoizana manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna hita eny an-dalambe sy ho fisorohana mialoha ny lozam-pifamoivoizana, raha ny fanazavana hatrany.

Jean Claude

 

 

Partager sur: