Famokarana herinaratra : hiasa tsy ho ela ny tetikasa Volobe

Vita Sonia, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanaovan-tsonia eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Compag­­nie générale de l’hydroélectricité de Volobe (CGHV), ao anatin’ny tetikasa “Volobe en Amont”. Famo­karana herinatra amin’ny alalan’ny renira­non’Ivondro. Araka izany, hamokatra herinaratra 750 Gwh isan-taona izany i Volo­be ka hanana tanjaka 120 MgW. Olona 2 tapitrisa kosa hisitraka ny tetikasa.
Hampihodina sy hampiroborobo ny toekaren’ny firenena ity vita sonia ity, noho izy hanampy amin’ny famoronana asa isan-karazany. “Hita tokoa ny fahanteran’ny fitaovana mamokatra herinaratry ny orinasa Jirama eto Mada­gasikara. Natao laharam-pahamehana ny famokarana herinaratra azo avaozina toy izao”, hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, nandritra ny kabariny. Mitotaly 442 MgW ny herinaratra hovatsian’ireo orinasa lehibe eto Ma­da­gasikara. 66 MgW amin’izany avy amin’ny orinasa Jirama. 192 MGW avy amin’ny tetikasa “Sahofika”, 120 MgW kosa avy amin’i Volo­be. Etsy ankilany, mbola maro ireo tetikasa ataon’ny fitondram-panjakana hamatsiana ny herinatra eto Madagasika­ra.

Angovo azo avaozina
Ankoatra izay, mbola ha­metraka toby famokarana he­rinaratra azo avy amin’ny ma­soandro (parc solaire) 37 isa ny fitondram-panjakana. Ka tanàna 37 isa hisitraka ity tetikasa ity alohan’ny faran’ny taona. Ao anatin’izany Ampa­rafaravola, Tanambe, Maro­lam­bo, Ikongo, Ihosy, Nosy Varika, Vondrozo, Ambositra, Mahanoro, Bekily, sns. Tsy hisy intsony ny fampiasana solika ary ho tapitra ny fahatapahan-jiro.
Tsiahivina fa efa-taona niandrasana ny tetikasa “Volo­be” ny mponina ao Toama­sina, indrindra amin’ny famoronana asa sy fampihodinana ny toekarena.

Henintsoa Hani

Partager sur: