Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mitam-piadiana sy ny mpitandro filaminana tao Antaramihery kaominina Soakibany, distrikan’i Midongy Atsimo, ny herinandro lasa teo. Lasan’ny dahalo ny omby 8 tao amin’io tanàna io. Nanara-dia ny tafika efatra sy ny zandary 5 niaraka tamin’ny fokonolona mitontaly 130. Nifanehatra tao Mitigny, fokontany Sahatsory, kaominina Lavaraty, ny mpanaradia sy ireo dahalo ampolony. Nitondra MAS 36, vaky nitifitra avy hatrany ireo olon-dratsy. Voa ny iray tamin’ireo olon-dratsy saingy tafaporitsaka. Latsaka ireo omby halatra. Nosakanan’ireo dahalo indray anefa ireo mpanaradia rehefa hiampita rano, hitondra ny omby ho any an-tanàna. Nirefotra indray ny basy. Tsy nahatohitra ny mpitandro filaminana ireo dahalo. Nirifatra nandositra izy ireo avy eo. Mbola eo am-pikarohana ny olon-dratsy ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.