Manararaotra ny fiakaram-bary! Noho ny fotoanan’ny fararano, fiakaran’ny vary, manao latsak’alina mangalatra ireo vary eny an-tsaha koa ny jiolahy. Tantsaha iray monina ao Ambohitrambany, fokontany Volaniray, kaominina Mahavelona, distrikan’ Ankazobe no lasibatry ny hala-bary matetika. Araka ny fanazavany, intelo niverenan’ ny mpangalatra nojinjaina amin’ny alina ny variny eny an-tsaha ka tapakevitra nanao fitarainana tao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria Antolojanahary. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ka nampiasa alika mpitsongodia mba hahafahana manaraka ireo jiolahy tompon’antoka amin’izao halatra izao. Rehefa nanao ny asany ny alika mpitsongodia avy ao amin’ny CRFDC Ivato, nitokona tamina tokantrano iray ao amin’ny fokontany Fonohasina, kaominina Mahavelona, ny 29 mey 2023 lasa teo. Nosavain’ny zandary ilay trano ka tratra tao ireo vary halatra avy nojinjaina. Nosamborina avy hatrany ny tompon-trano nahitana ireto vary halatra ireto. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.
Jean Claude