Lehilahy miisa 105 no voasambotra, omaly. Voasaringotra tamin’ny famonoana ireo telo lahy mpanao aferam-bato , ny alahady alina, tany Lalazana izy ireo. Mbola misy hafa karohina.
Olona iray kamiaoben’ny miaramila ireny no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly maraina. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo telo lahy matin’ny fokonolona tao tatandratsy, fokontany Lalazana, Fianarantsoa, izy ireo. Vao mangiran-dratsy, niala tao an-drenivohitry ny Faritra Matsiatra ambony ny vatamiaramila (tafika sy zandary) niampy polisy nitontaly 150 lahy. Iraka avy amin’ny Emmo/Reg, teo ambany fandrindran’ny Organisation mixte de Conception na ny OMC, izy ireo. Vantany vao hiditra ny tanàna, efa nisy tamin’ny fokonolona no nikoaka, nampandre ny mpiaramonina. Vaky nandositra ny vatan-dehilahy sasany. “Misy tamin’ny mponina ihany koa no efa niala ny tanàna ny alatsinainy hariva. Izay tsy tafaporitsaka no voasambotra ka atao fanadihadiana aty Fianarantsoa”, hoy ny tomponandraikitra ambony iray any an-toerana, nanaiky ny niresaka. Marihina fa hentitra ny baikon’ny fampanoavana amin’ny fitandroana ny tsiambaratelon’ny famotorana. Mihidy, araka izany, ny fampitam-baovao ofisialy.
Fokontany telo no nanaovana ny fisamborana, omaly: fokontany Lalazana Ambony, kaominina ambanivohitr’i Soahindrana, distrikan’i Lalangina. Niampy an’i Soamanakova sy Ranomaitso, kaominina Andoharanomaitso, distrikan’Isandra.
Naparitaka amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ao Fianarantsoa ireo voasambotra. Nandray an-tanana azy ireo amin’ny fakana am-bavany ny polisy sy ny zandary. Tantara mitohy!
J.C