Fanavaozana lisi-pifidianana : tsy hisy fisoratana anarana intsony aorian’ny 31 mey

Hifarana anio ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy hisy fisoratana anarana intsony aorian’izay…

Hifarana anio amin’ny 12 ora alina ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao. “Aorian’ny 31 mey, tsy misy fisoratana anarana vaovao intsony, fa hisy lisitry ny mpifidy hivoaka rehefa avy eo”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soa­va, teny Alarobia, omaly.
Raha ny tokony ho izy, izay lisitra izay miaraka
amin’ny lisitry ny mpifidy teo aloha no antsoina hoe lisi-pifidianana.
Na izany aza, misy fotoana fohy hanomezana rariny ireo nanoratra anarana tao­rian’ny 9 marsa namaranana ny fandraketana amin’ny ordinatera nahazoana namoaka ny lisitra vonjimaika. Mba hahazoan-dry zareo manao fitsirihana farany ny mombamomba azy izay, sao misy fahadisoana na fahalatsahan’ny anarana tsy tafiditra indray. Eny anivon’ny distrika kosa ny fanakatonana ny lisitry ny mpifidy, rahampitso 1 jona.

Hisy ny fanaovana  fitsirihana
Hisy ny fanaovana fitsirihana aorian’ny fanakatonana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy ny rindrambaiko ihany no hanaovana fitsirihana amin’izany, fa ny lisitry ny mpifidy koa. Misy aza ny fidinana eny anivon’ny fokontany ny amin’ny fomba nanaovana ny fisoratana anarana, ohatra, sns.
Anisan’ny tsy fahatomombanana tamin’ny fitsirihana voalohany nataon’ny OIF, ohatra: ny laharan-karapanondro tsy feno, tsy misy laharana “serie”… Nailiky ny rindrambaiko avokoa ireny. Raha tsy feno koa, ohatra, ny daty nahaterahan’ny mpifidy fa hoe “vers 1960”, satria tsy maintsy misy andro sy volana ary taona no jeren’ny rindrambaiko. Nakisaky ny rindrambaiko koa raha tokony ho lahy ny mpifidy nefa vavy no voasoratra.
Tsy maintsy naverina sy nohamarinina any amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) ireny, na navantana any amin’ny mpifidy, na nohamarinina indray ny karne misy ny takelaka fisoratana anarana… Amin’izany no ahitana izay niavian’ny fahadisoana. Andrasana izay ho vokatry ny fitsirihana faharoa hamoahana ny lisi-pifidianana farany amin’ny 10 jona.

R. Nd.

Partager sur: