Depiote R. Siteny : “Aza potehina ny vahoaka…”

Nitohy tany Ambilobe indray ny Mihava Tour, ny faran’ny herinandro teo. Nam­baran’ny mpitarika izany, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny fa ampy izay. “Volabe no nomena ny Jirama nefa tsy mbola mandeha ihany. Aoka tsy hanaiky horebirebena intsony isika. Miangavy izahay, aza potehina ny vahoaka”, hoy izy, tany an-toerana. Nanteriny fa famotehana ny Jirama izao ataon’ny mpitondra izao. Niantsoany ny va­hoaka izany mba hiray hina hiaraka hampandroso ity firenena ity.
Nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny vahoaka koa ny tenany ka anisan’ny nambaran’ny solontenan’ny mponina ta­min’izany ny fahantran’izy ireo nefa manana harena, toy ny volamena. “Lasan’ireo mpitondra daholo ny vola… Alain’ny fanjakana hatramin’ny volan’ny kaominina”, hoy izy ireo. Eo koa ny tsy fana­nana “Ambulance”, ny hamaroan’ny tanora nefa tsy an’asa. Mampitombo ny tsy fandriampahalemana…
Nahitsy kosa ny depiote Voninahitsy nanambara fa tsy ho rendrika ny sambo idirana ka tokony hanana fitokisana azy ireo ny vahoaka. “Tena leo sy tofoka tanteraka izahay”, hoy izy. Nanamafy ny maha iray ny Malagasy kosa ny depiote Rasidimanana ka nanambara fa hita ao Ambi­lobe avokoa ny Malagasy rehetra. Manaporofo izany fa mifankatia isika, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: