Fikambanana Mafy be : hanohana ny fampiofa- nana Ratsiraka Annick

Tsy nitazam-potsiny. Nam­panantena ny filoham-boninahitry ny Mafy be, Ratsiraka Annick fa hanohana sy ha­nampy ireo vehivavy mivondrona eo anivon’izany fikambanana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana. Efa maherin’ny 100 ireo mpikambana ao amin’ny Mafy be eny amin’ny kaominina Tala­tanangavo ao amin’ny distri­kan’Ankazobe. Nampahafan­tarina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny fikambanana ara-dalàna sy ireo mpitantana birao, tarihin-dRanosimboahangy Aimée. Nijoro ny taona 2017 ny fikambanana ary efa hita amin’ny faritra maromaro manerana ny Nosy. Tanjon’izy ireo ny Ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ary ny fanentanana azy ireo hahavita tena.
Anisan’ny hetahetan’ireo ny hanomezana fampiofanana ho an’ireo tanora sy ny vehivavy. “Maro aminay mpikambana no tsy mba nahita fianarana ka manana olana lehibe amin’ny fikarohana asa”, hoy ny mpitarika. Nitohy amin’ny fiaraha-misakafo sy lavantim-bokatra, narahan’ny vakodrazana sy ny hiragasy, nampifaliana ny vahoakan’i Talata­nangavo ny lanonana.

Synèse R.

Partager sur: