Mbola kely izy dia efa nisongadina tamin’ity talentany ity… Teny an-dalana teny no nanatsara sy nifehy ny “beatbox” i Do B. Nanomboka nisongadina ary lasa nalaza indrindra tamin’izany Rasolofoarison Do na i Do B taty aoriana. Tsy nijanona amin’izay lazany izay anefa, fa nikatsaka hatrany ny hiakatra ity mpanakanto ity. Fantatra izao fa handray anjara amin’ny “Beatbox battle worlt championship”, na ny fifaninanana iraisam-pirenena hoan’ny “beatbox” izy. Ao amin’ny sokajy “Vocal scratch” no nidirany, ka eo amin’ny 20 eo izy ireo no mifaninana. Mpanao “beatbox” avy amina firenena maro no hiaraka hiatrika ity fifaninana ity amin’i Do Be, any Berlin, Allemagne, ny 2 hatramin’ny 6 aogositra izao.
Tsiahivina fa ilay fanaovana feona mozika sy gadona amin’ny alalan’ny feo manokana ny “beatbox”. Tsy tena mahasolo ny zavamaneno, kanefa afaka miara-dalana izany ka mamoaka feo vaovao. Marihina ihany koa fa efa mpandray anjara amina fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny “beatbox” i Do B, ka andraindraina fa hitondra ny amboara mody.
Zo ny Aina