Ankazobe : mpiray petsapetsa amin’ny dahalo nigadra

Ramatoa roa niray tsikombakomba tamin’ny jiolahy ni­doboka am-ponja ao Anka­zobe, afakomaly. Anatin’ny fanohizana ny famongorana ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny doro trano nahafatesana olona tao Ambohitri­nian­driana, fokontany Anosikely, kaominina Ambolotarakely, distrika Ankazobe, ny zandary. Voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny vehivavy roa voalaza ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy nahavanon-doza. Tsy vitan’ny nampiantrano, mbola namatsy sakafo ireo jiolahy izy mirahavavy ireto, araka ny loharanom-baovao. Niara-niasa akaiky tamin’i Lemizana sy Ndrina, izay jiolahy atidoha niketrika ary nahatonga io fandoroana tanàna tao an-toerana io ireto tra-tehaka ireto. Ma­nome vaovao ireo jiolahy ahafahan’izy ireo miala amin’ny paikady apetrak’ireo mpanara-dia koa ireto vehivavy roa ireto. Natao fanadihadiana, niai­ky heloka ireto farany. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka izao niafara amin’ny fihazonana azy ireo am-ponja izao.

Tsiferana R.

Partager sur: