Manameloka ny fisamborana faobe nataon’ny mpitandro filaminana ny depiote, voafidy tao Vohibato, ny kolonely Martin. Nambarany fa niaro tena ny vahoaka fa tsy namono olona fahatany.
“Tsy mpanao aferam-batosoa fa mpanakan-dalana mpiantsena ireo olona matin’ ny fokonolona tao Tatandratsy, fokontany Lalazana Ambony, kaominina Soahindrana, distrikan’i Vohibato, ny sabotsy alina hifoha alahady lasa teo”, hoy ny tatitra nataon’ny lehiben’ny fokontany tany amin’ny depiote voafidy tany an-toerana, ny Kly Martin. Nohamafisin’ity farany fa izy no nampirisika ny fokonolona mba hiaro tena raha tena olon-dratsy izy ireo. Araka ny resaka nifanaovan’ ity solombavambahoaka ity tamin’ny mpanao gazety ao Matsiatra Ambony ka naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, olon-dratsy ireo namoy ny ainy. Milaza ity olom-boafidy ity fa tsy misy fitsaram-bahoaka fa “legitime defense” no nisy. “Raha ohatra ka marina ny zavatra ataonareo, miady ianareo, miaro ny tenanareo ianareo, miaro ny fanananareo ianareo fa voizina amina raharaha hafa ity raharaha ity”, hoy izy. Manoloana izany, mangataka ity manamboninahitra ity mba hamoahana ireo olona 105 nosamborina dia anohizana ny fanadihadiana any ivelany ka izay tena heverina fa meloka no samborina. Marihina fa efa nanao fangatahana sy nandefa lisitra tany amin’ny mpanao famotorana izy ireo, afakomaly, saingy tsy nanaiky izany anefa ny eo anivon’ny fampanoavana sy ny mpanao famotorana, ny zandary ary ny polisy. Nitohy hatramin’ny omaly ny fanadihadiana, raha ny vaovao farany. Ezahin’ny mpanao famotorana ho vita ny sabotsy ho avy izao ny fanadihadiana ka hiakatra fampanoavana izy rehetra.
Fa raiamandreny…
Manamafy ny depiote, ny kolonely Martin, fa izy irery ihany no hany raiamandreny to teny sy mahafehy ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Vohibato. “Ny baiko omeko ny distrikan’i Vohibato dia izao: izay mahatsiaro tena mipetraka ato amin’ny distrika dia mpitandro filaminana avokoa miaraka amin’ny zandary sy miaramila”, hoy izy. Nambarany fa “izaho kolonely Martin ihany no raiamandreny niteraka ny fandriampahalemana eto Vohibato, ny ankoatra izay mpisoloky, mpandainga”. Nohitsiany fa tsy mbola nisy tao Fianarantsoa na oviana na oviana izany fisamborana olona marobe toy ity tao Lalazana Ambony ity. “Miantso ny OMC sy ny tribonaly aho, jereo ny tena marina amin’ io fa aza alaina baraka amin’ ny fisamborana toy izao ny olona”, hoy ity olom-boafidy ity.
Jean Claude