“Tsy handray anjara amin’ izay fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko politika izay ny Freedom. Misy resaka ambadika ny amin’izay hoe fifanarahana politika. Misy zavatra iniana hatao manjavozavo izany, izay tsy mety aminay.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, teny Tsimbazaza, afakomaly, momba ny famorian’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES) miaraka amin’ ny Vondrona eoropeanina ny antoko politika vitsivitsy hanao fifanarahana momba ny fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko amin’ ny fiatrehana fifidianana. Fifidianana no tokony hirosoana. Izay no fanomezana fahefana ny vahoaka hisafidy an’izay tokony hitondra azy. Rehefa nojerena io fitsipi-pitondran-tena io, efa hita ao anatin’ny lalàna manan-kery avokoa. Eo ny lalàna mifehy ny antoko politika, efa azo tanterahina nanomboka tamin’ny taona 2011. Tsy mila baiko avy any ivelany izany. Efa afa-manatanteraka izany ny mpanao politika, raha fatra-panaja ny lalàna manan-kery fa tsy mila fanasoniavana zavatra hafa indray.
Tsy misy antony ilàna lalàna hafa
Misy momba ny fifidianana koa ao anatin’io fitsipi-pitondran-tena io. Hita ao anatin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana, taona 2018. Tsy ny fitondrana ankehitriny no namolavola izay lalàna izay, fa ny teo aloha ary neken’ny mpitondra amin’izao. Tsy misy antony ilàna lalàna na sata hafa ka tokony hanaovan-tsonia.
Tomponandraikitra avokoa ny mpanao politika. Tsy voatery hampanekena sonia sy voatery hanaja lalàna. “Toe-tsaina io: hatraiza ny fahavononana hanaja lalàna misy eto amin’ny firenena?”, hoy izy.
R. Nd.




