Ady amin’ny kolikoly : azo refesina ny vokatra

“Voalaza hatrany hoe tsy mahafa-po ny vokatra amin’ ny ady amin’ny kolikoly. Inona no ataon’ny sehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly?” hoy ny sekretera mpanatanteraky ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Razafimandimby Tsiry, teny Antaninarenina, momba ny atrikasa, nampahafantarana ny fitaovana ara-kajy mirindra “Système d’infomation integré de la gouvernance et de l’anti-corruption (Siigac)” hahazoana mandrefy ny ady amin’ny kolikoly.
Mila apetraka ny maridrefy hahazoana milaza hoe: ma­homby sa tsia ny ady amin’ny kolikoly, inona ny vokatra? Fitaovana iray hirosoana amin’izany ny fametrahana tamberin’andraikitra amin’ ny ady atao ny Siigac. Ny asa sy ny vokatry ny asan’ireo minisitera sivy sy ny rafitra mpanara-maso no hampidirana amin’izany, hahazoana mahafantatra hoe: tena misy vokany ve ny ady amin’ny kolikoly? Fanontanian’ny rehetra izay, ary mahatsapa voalohany ny ilàna an’izay ny CSI.

Hanampy amin’ny fanapahan-kevitra ny Siigac
Anisan’ny asan’ny CSI ny manampy sy manolo-kevitra an’ireo rafitra sy sehatra rehetra eto amin’ny firenena amin’ny fomba itondrana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tsara tantana. Entina hanampiana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny vaovao rehetra azo amin’ny fomba matihanina ao anatin’ny Siigac.
Nanomboka tamin’ny 2015 ka hatramin’ny 2025 ny tetikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ampiharina amin’izao fotoana izao. Amin’ny taona ho avy, efa homanina ny tetikady manaraka. Tombony lehibe ny fananana vaovao marim-pototra hahazoana mametraka io tetikady vaovao io, hiainga amin’izay tsy mahafa-po amin’ izay ampiharina amin’izao.

R. Nd.

Partager sur: