Nitondra famelabelaran-kevitra ho an’ny fikambanana Zanak’Atsimondrano ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, ny herinandro teo. Lohahevitra nifampizarana ny vina sy ny hevitry ny “Fampivoarana ny maha olona sy ny toe-tsaina, mampisandratra”.
Nambarany fa ilaina ny toe-tsaina tena hampisandratra ary tokony ho raiki-tapisaka ao amin’ny tsirairay, sy hanomboka any amin’ny mpitondra izany. “Tsapa fa mangetaheta fivoarana sy fisandratana isika… Ampy izay ny fahasahiranan’ny firenena sy ny iainantsika izao. Mila miova isika ka miainga amin’ny tsirairay ny fiovana andrandraintsika, miaraka amin’ny fanajana ny lalàna sy ny tany tan-dalàna”, hoy izy.
Niompana betsaka tamin’ny toe-tsaina entina mampisandratra ny sehatr’asa fototra amin’ny maha tantsaha ny eny Atsimondrano ny lalan-kevitra nozarainy. Singa iray lehibe amin’ny fampivoarana ny maha olona ny fanatsarana ny fanabeazana ary tokony hataon’ny rehetra vaindohan-draharaha ny fanabeazana ny taranaka, araka ny nambarany. “Anisan’ny hoavin’ny ankohonany, ny fiaraha-monina misy azy sy ny firenena izy ireo”, hoy ihany izy.
Tsy mionona amin’ny tsena anatiny
Eo koa anefa ny fampivoarana ny traikefa sy ny teknika ampiasaina, tahaka ny ataon’ ny any amin’ny firenena mandroso rehetra. Mba hampivoatra sy hampisandratra ny fiainan’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina ary ho an’ny firenena, araka ny nambarany hatrany. “Tsy afaka mionona fotsiny amin’ny famokarana ireo efa vokatra mahazatra isika. Fotoana izao hitrandrahana vokatra hafa, hidirana amin’ ny lalam-barotra samihafa. Tsy mionona mijanona amin’ ny tsena anatiny”, hoy izy.
Synèse R.




