Fanalam-baraka tamin’ny “Facebook” : hanokatra fanadihadiana ny zandary

Niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, ny fisiana resaka an-tsoratra tamin’ny finday niparitaka nifanaovana vehivavy sy zandary iray. Voalaza ho tsy nahazo ilay tovovavy ilay lehilahy ka nanao vava taminy. “Miasa any amin’ny toerana tsy misy “réseau” iny zandary voalaza anaty tambajotran-tserasera iny ka tsy azo inoana ny fahamarinan’ilay tranga”, araka ny loharanom-baovao avy tamina tomponandraikitra eo anivon’ny zandarimaria. Tsy manana fahafahana handefa hafatra miafina amin’ny alalan’ny finday, araka izany, io zandary voalaza io. Manoloana ity tranga ity kosa, hisy ny fanadihadiana ataon’ny zandary, ha­mantarana ny tompon’antoka tamin’ny fanaovana io hafatra miafina nifanaovan’ilay tovovavy tamin’ny kaontin’ilay zandary io.

Tsiferana R.

Partager sur: