HFKF : “Misy lesoka eny ifotony ny lisitry ny mpifidy”

“Faritra fito ankoatra an’ Antananarivo no vita fanaraha-maso. Ny hita: betsaka ny lesoka ao anatin’ny lisitry ny mpifidy eny ifotony”, hoy ny mpandrindra ny Hetsika fampiraisana kristianina ho an’ny firenena (HFKF), Randriana­solo Tiana Arimino. Maro amin’ireo mpikambana midina eny anivon’ny fokontany. Tsy nanentana ny mpifidy hijery fotsiny ny anarany izy ireo, fa hijery sao tsy mifanaraka amin’ny rejisitry ny fokontany. “Ny vahoaka no tokony hahatsiaro amin’ny adidy manandrify azy amin’ny fifidianana”, hoy izy. Tokony hahatsiaro tena fa tomponandraikitra amin’ny lisitry ny mpifidy.
Misy ny lesoka eny ifotony, fa tsy mahalala akory ny fetran’ny faritry ny fokontany, ohatra, ny mpanisa mpifidy. Mifangaro ny lisitra amin’izany. Fiaraha-midinika eo amin’ny mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatra nasionaly, indrindra ny eny ifotony, no hahazoana manarina ny lesoka. Eo koa ny fandraisana andraikitra hitadiavam-bahaolana.

Tsy hanao fitsirihana ny HFKM

“Tsy manana volavolana fifanarahana asa amin’ny Ceni ny HFKF nefa nanao firotsahana amin’ny fanaraha-maso”, hoy izy. Tsy misy ny fifanaraham-piaraha-mi­asa mazava amin’ny Ceni ny amin’izay fitsirihana izay. Na izany aza, tsy manana ahiahy ny amin’izany ry zareo.
Manentana ny rehetra hanao ho zava-dehibe ny fanaovana ny marina sy ny fampijoroana ny fahamarinana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fiangonana, ao anatin’izao fikarakarana fifidianana izao izy ireo.

R. Nd.

Partager sur: