Nokarohina nanomboka ny faran’ny volana mey teo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambatomahavelo, kaominina Manambondro, distrikan’i Vangaindrano. Nilomano niaraka tamin’ireo namany izy rehefa nitsangantsangana teo amin’io toerana io, ny alatsinainy 29 mey. Nivoaka ny rano, nilaza hitanin’andro kanefa tsy hita intsony ny nalehany. Samy variana tamin’ny nataony ny manodidina ka tsy nahita na inona na inona.
Nanomboka nikaroka azy ny mponina saingy tsy nahitam-bokany izany. Efatra andro taty aoriana, hita ihany ny vatana mangatsiakany. Potiky ny biby kely ny tarehiny sy ny ilan’ny vatany. Ny lambany, arak’izany, no hany sisa nahafantaran’ ny olona azy. Nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana avy hatrany ireo akaiky azy. Nakarina nihazo ny kaominina Iarinarivo, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly tolakandro, ny vatana mangatsiakan’io namoy ny ainy io.
Tsiferana R.