Olona efatra notanana am-ponja vonjimaika noho ny famonoana tompona moto iray tao Behenjy, afakomaly. Avy aty an-dRenivohitra, niaraka tamin’ny namany iray hafa ilay lasibatra. Tsy lavitra ny tanànan’i Behenjy, niampy iray ny naman’izy ireo ka niaraka nisotrosotro. Tampoka, niafara tamin’ny tsatok’antsy natao tamin’ilay tompona moto ny fiarahana. Naratra mafy ity farany. Nentin’ny nanatri-maso notsaboina taty an-drenihovitra izy saingy tsy tana intsony ny ainy. Tetsy ankilany, nijery ny zava-nisy teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary. Niosin-dra ny moto. Latsaka teo amin’ilay nisehoan’ny fandratrana ny finday miisa roa. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo, taorian’izay. Vokany, olona efatra voasambotra. Voasaringotra tamin’ny raharaha, niakatra fampanoavana izy efatra. Niafara amin’ny fihazonana am-ponja vonjimaika.
Tsiferana R.