Nanomboka, omaly, tetsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena, Analakely, ny fankalazana ny fiverenan’ny Fahaleovantena. Nitarika izany ny filoha Andry Rajoelina izay nanentana ny vahoaka mba hanangan-tsaina ho mariky ny fitiavan-tanindrazana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ ny alalan’ny fananganan- tsaina, ny fankalazana ny faha-63 taona, niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Nandritra izany no nanafaran’ny filohan’ ny Repoblika ny vahoaka malagasy mba hanangana ny sainam-pirenena. “Manangana saina isika ho mariky ny fankasitrahana ireo niady ho an’ ny Fahaleovantena sy ho an’ ny fitiavantsika an’i Madagasikara”, hoy izy. Notsiahiviny fa fotoana ahatsiarovana ny tantara sy ankalazana ny fahafahana ; indrindra ny fiverenan’ ny fahaleovantena ny hetsika. Nohamafisiny fa azo atao tsara ny manangana, manorina, manarina firenena vanona. Torak’izany ny fotodrafitrasa simba sy potika raha nampahatsiahy ny tantaran’ny Lapan’ ny tanana eto an-drenivohitr’i Madagasikara izy.
“Lavenona no natsangana indray. Potika tao anatin’ny 36 taona ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny taona 1972. Tamin’ny taona 2008 no nametrahan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo teo aloha, Andry Rajoelina, ny vatofototra nanarenana azy. Nifanandrify tamin’ny faha-36 taonany izany”, hoy izy.
Tokony hanangan-tsaina avokoa ny isan-tokantrano, ny amin’ny biraom-panjakana, ny toeram-piasana na miankina na tsy miankina ary ny sekoly samihafa, araka ny nambarany. Nanentana ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany izy ny hanamafisana ny fanentanana momba izany.
“Manamafy ny maha zava- dehibe ny fitiavan-tanindrazana sy anehoana ny hambompom-pirenena ny fananganan-tsaina. Mariky ny maha firenena an’i Madagasikara ny sainam-pirenena. Mampahatsiahy ny soatoavina mampiray antsika ny fanaganan-tsaina”, hoy izy nanamafy ny fanentanana ny vahoaka malagasy. Anisan’izany ny fahafahana. Mampiredareda ny teny filamatry ny Repoblikan’i Madagasikara: “Fitiavana, Tanidrazana, Fandrosoana” izany ary fomba iray anehoana ny fanajantsika ireo tia tanindrazana nitolona, nanao sorona ny ainy niverenan’ny fahaleovantena, araka ny nambarany ihany.
Miaro ny vahoaka
Etsy andaniny, nanantitra ny andraikiny sy ny asany amin’ny maha tandroka aron’ny vozona, amin’ny alalan’ny fiarovana ny vahoaka ny eo anivon’ny Foloalindahy, tamin’ ny lahatenin’ny minisitry ny Fiarovana, ny Jly Rakotoarijaona Josoa.
Nitohy amin’ny fanokafana ny fampirantiana nataon’ ny Tafika, nampitondraina ny lohahevitra “Ny firenena sy ny Foloalindahy” , izany, avy eo. Niatrika izany teny an-toerana ireo lehibena andrimpanjakana sy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina.
Tsiahivina fa, nanomboka izany fanamarihana sy fanentanana ny fananganan-tsaina izany, omaly, avokoa ny tany amin’ny faritra.
Synèse R.