Nanao antso avo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotodrazafy Lalatiana sy ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanaoa gazety (OJM), omaly. Antony ny fisian’ny fanohintohinana ny asan’ny mpanao gazety, amin’izao fotoana izao.
«Miray fo sy miray saina amin’ny mpanao gazety voatohintohina tamin’ny fanatanterahana ny asany ny tenako», hoy ny minisitra. Nanteriny ny fanambaran’ny OJM manoloana ny fihetsiky ny olom-boatendry sy olom-boafidy tamin’ny faritra maromaro nanao fihetsika maneho fanilikilihana sy fanohintohinana ny mpanao gazety manao ny asany. “Avelao hiasa malalaka ny mpanao gazety ary hanao ny asany an-kalalahana. Tokony samy hanatanteraka sy hanaja ny asa tandrify azy ny tsirairay”, hoy izy ireo.
Nasiany tsindrim-peo fa izay voalazan’ny lalàna ihany no afaka mametra ny fahalalahan’ny tsirairay eto Madagasikara. Anisan’izany ny fitandroana ny filaminan’ ny tany sy ny firenena, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana.
Nampirisika ny OJM hanohy ny ezaka fiarovana ny mpanao gazety manao ny asany araka ny tokony ho izy ny minisitry ny Serasera. Manana ny fahaleovantenany tokoa ny Holafitra, tsy miray tsikombakomba amin’ny minisitra na ny minisitera, araka ny nambarany. Manameloka tanteraka izao fihetsiky ny tomponandraikitra sasany izao ny OJM. Niantso ny mpanao gazety hanaja lalàna koa izy ireo. Nanentana fa tsy asa fanaovan-gazety velively ny famoahana vaovao amin’ny kaonty na takelaka manokana an-tambajotran-tserasera. “Tsy voaaron’ny lalàn’ny asa fanaovan-gazety isika ao anatin’izany”, hoy ny OJM.
Synèse R.
Anisan’ny niharan’ny antsojay ny mpanao gazetin’ny Kolo TV sy ny Jupiter any Diana. Norarana tsy haka vaovao tamin’ny fahamaizan’ny milina mpamokatra herinaratra. Nohadihadiana ny mpanao gazety miisa telo, tohin’ny fitoriana azy ireo, taoriana famoahana vaovao, momba ny trangana fakàna tany, any Atsinanana. Nalaina baraka imasom-bahoaka sy tsy nomena vaovao ny mpanao gazetin’ny Radio Fanasina, nikaro-baovao fanamarinana momba ny trangana fandrodanana trano any Menabe.
Rahonana ny mpanao gazety any Analanjirofo fa hanaovana tatitra any amin’ ny lehibe,
rehefa tsy manaraka ny fandaminana eny ifotony. Sahirana ny mpanao gazety eto Analamanga mitrandraka fanamarinam-baovao, noho ny fikatonan’ny loharanom-baovao sasany.