Nirefodrefotra ny basy : Polisy iray naratra, jiolahy rotidrotiky ny bala

Nihorohoro vao maraina ny mponina teny Anosibe Mandrangobato sy ny manodidina, ny sabotsy teo. Nifam­pitifitra ny polisy sy ny jiolahy ka maty voatifitra ity farany. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io.
Toy ny fanaony mahazatra, nanatanteraka fisafoana tany anaty elakela-tranon’ Ano­sibe ny polisy manao fanamiana sivily. Nandritra izany, nifanehatra tamina an­dian-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana izy ireo. Na­moaka basy ireo jiolahy raha vantany vao nahatazana ny polisy. Mafy ny fifandonana tao anaty haizina. Polisy iray naratra raha rotiky ny bala kosa ny jiolahy iray niaraka tamin’ny antsy lava. Voala­zan’ny tatitra nampitain’ny polisy fa nikasa hanao ny asa ratsiny tamin’iny faritra iny ry zalahy ireto no nifanehatra tampoka tamin’ireo polisy.

J.C

Partager sur: