Tsy mety fa ! Tratra ireo mpamaky trano telo lahy tao amin’ny fokontany Nanganehana, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manjakandriana, omaly maraina. Tamin’ny 2 ora, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ka nandroba tsenakely iray izy telo lahy. Voaroba ny entana toy ny paty, bisiky, hatramin’ny voamaina. Nirifatra nandositra avy hatrany ireto farany rehefa nahazo izay nilainy.
Raikitra ny fanarahan-dia, niarahan’ny fokonolona sy ny zandary. Vokany, jiolahy telo voasambotra. Tratra ny basy mahery vaika sy bala folo. Tafaverina ny entana nangalarina. Atao fanadihadiana ireo jiolahy ka hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Maro ny tokantrano efa lasibatr’izy telo lahya any Manjakandriana, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
Jean Claude