Filan-dratsy: mpiandry omby vao 12 taona nanolana ankizivavikely

Voasambotry ny zandary ny tovolahy iray 12 taona, nanolana zazavavy vao 8 taona, zanaky ny mpampiasa azy , afakomaly.

Tratra ihany! Noraisim-potsiny ny zazalahy nanolana sady nandrahona ho faty ny zazavavy 8 taona zanaky ny mampiasa azy tao Anjiajia, kaominina Ankerika, distrikan’Antso­hihy, afakomaly. Mpiandry ombin-drain’io zazavavy io izy, niasa tao amin’izy ireo nanomboka ny volana oktobra 2022 teo. Noho ny fifanarahana nataon’ny roa tonta, isaky ny herintaona vao mandray karama ilay mpiandry omby. Miara-mipetraka amin’ny mpampiasa ao an-trano kosa anefa izy. “Tsy tao an-trano tampoka ny ray aman-drenin’ny zaza, noho ny fitadiavana ka nanararaotra ilay zazalahy, ny alin’ny 9 mey hifoha 10 mey teo”, hoy ny fanazavan’ny zandary, kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao Antsohihy. Nanda­di­­zan’ity zazalahy ity moramora tao amin’ny fandriany ilay zazavavy ka nohararaotiny. “Norahonany tsy hilaza na amin’iza na iza ilay zaza taorian’izay”, hoy ny zandary. Kinanjo, niverina ny ray aman-drenin’ny zaza ny ampi­tso. Nahatsikaritra ireto farany fa tsy salama ity zanany. Nitantara ny nanjo azy tamin’ireo ray aman-dreniny izy. Nentina nozahana, voamarin’ny mpitsabo fa niharan’ny fanolanana ka simba tanteraka io zazavavy io.

Nirifatra nandositra
Vokatr’io zava-nisy io, nitsoaka ilay zazalahy mpi­andry omby. Nitory teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny ray aman-drenin’ilay zaza niharan’ny fi­lan-dratsy. Niroso tamin’ny fikarohana ireto farany. Iray volana latsaka aty aoriana, fantatra fa miriaria tao Ambo­­dimahabibo, fokontany Ma­tsa­boribe, kaominina Ampan­driakilandy, ilay na­ha­­vanon-doza. Nidina ifotony, tra-tehaka izy ka nentina natao famotorana. “Efa mi­hoatra ny 12 taona io mpanolana io raha ny endriny ivelany sy ny firafitry ny vatany”, hoy ny zandary. Notsindrin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao an-toerana fa tsy azo leferina velively ny fanararaotana ara-nofo tahak’izay nitranga tao an-toerana ity. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: