Lisi-pifidianana : hisy 20 andro farany hanoratana anarana

Mbola afaka manamarina farany ny anarany anaty lisitra ny mpifidy. Manana 20 andro izy ireo aorian’ny 10 jona.Omen-tsehatra manokana ny olona tena tsy mbola nisoratra anarana.

“Am-perinasa izao ny rantsamangaikan’ny Ceni eny ani­von’ny distrika amin’ny fandikana ny lisitry ny mpifidy farany amin’ny ordinatera hamoahana azy ho lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny famoahana ny lisi-pifidianana amin’ny 10 jona ho avy izao. Ao anatin’izay ireo mpifidy nanao fanamarinana ny momba azy, na latsaka fa tsy tafiditra ao amin’ny lisitra, na vao nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa namaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy…
Rehefa mivoaka izay lisitra izay, manana 20 andro ao­rian’ny fahatongavan’izany eny anivon’ny fokontany izy ireo hanao fanamarinana farany ny momba azy avy. Izay fanamarinana na fanitsiana farany izay no hamoahana ny lisi-pifidianana hiatrehana fifidianana. Tombanana any amin’ny faramparan’ny jona na fiandohan’ny jolay no hivoahan’ny lisi-pifidianana raikitra.
Misy ny fisoratana ombam-pitarainana
Tsy maintsy misy peta-drindrina hataon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) eny anivon’ny fokontany manentana ny olona hanao fitsirihana farany ny momba azy amin’izany, raha vao tonga eny amin’ny fokontany izay lisitra farany izay. Na izany aza, misy ny fisoratana anarana ombam-pitarainana. Homen-tsehatra ireo tsy mbola nisoratra anarana hatramin’izay noho ny antony samihafa: narary tany amin’ny hopitaly am-bolana maro, ohatra, na tany ivelany, na tany am-pilana ravinahitra toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay tsy tratran’ny mpanisa mpifidy na tsy afa-nisoratra anarana, na vao nivoaka ny fonja raha tsy mbola tsy vita fisoratana anarana tamin’ny fotoana nanaovana izany… Homena sehatra amin’io fe-potoana 20 andro izy ireo, rehefa manao fitarainana fa tsy afa-nisoratra anarana tamin’ny fotoana tokony ho nanaovany izany.

R. Nd.

Partager sur: