Mamolavola paikady sy politika hoentina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna sy tsy voambara ary tsy voafehin’ny lalàna i Etazonia, miaraka amin’ireo Nosy aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Misy ny fivoriana mandritra ny hatelona hanatanterahana izany.
Manantitra ny fahavononany i Etazonia hiady amin’ny jono tsy ara-dalàna aty amin’ireo firenena amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Hanampy izany koa ny lefitry ny sekreteram-panjakana amerikanina mpanampy misahana ny ranomasina sy ny jono, Maxine Burkett, tamin’ny lahateny nataony, nandritra ny fivoriamben’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ity sehatra ity eto an-drenivohitra, nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny alarobia izao. Nambarany fa “laharam-pahamehan’ny governemanta amerikanina ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna. Manao izany ho ivon’ny asany avokoa ireo ambasady amerikanina any amin’ireo Nosy ao amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina … Mampirisika ireo firenena hafa ao amin’ny faritra izahay mba hiditra ao amin’ny Fisheries Transparency Initiative (FiTI) ihany koa mba ho lasa mpitarika maneran-tany amin’ny fametrahana fiaraha-miasa sy fandrindram-piaraha-miasa momba ny politikan’ny jono bebe kokoa ireo firenena aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina”. Manatrika ity fivoriana ity ny solontenam-panjakana sy ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena ary ny sehatra tsy miankina avy amin’ireo Nosy rahavavy, toa an’i Comores, Maurice, Seychelles ary i Madagasikara.
Tetikasa
Tafiditra anatin’ny tetikasa tantanin’ny Blue Ventures ny fanatanterahana ity fivoriambe ity, izay vatsian’ny departemanta amerikanina vola mitentina 227.000 dolara. Tetikasa miompana amin’ny fanentanana ny daholobe amin’ny ady atao amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna. Anisan’izany ny fanavaozana ny politika sy ny famolavolana paikady iraisam-paritra hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna sy ny fanamafisana orina ny tambajotran’ireo mpisehatra rehetra eto anivon’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indiana.
“Ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanana ny jono, dia nanolo-tena ny hiditra ao amin’ny FiTI izahay. Ankehitriny, anisan’ireo firenena kandidà amin’izany i Madagasikara. Tsy ho ela dia hanana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna i Madagasikara ary mikasa ny hanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo fikambanana tsy miankina toy ny Sea Shepherd sy Global Fishing Watch amin’ny fampiharana ity paikady ity”, hoy kosa ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga Tsimanaoraty Mahatante Paubert, nandritra ny ny lahateniny.
Fihariana
Olona maherin’ny 600 tapitrisa no mivelona amin’ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Loharanon-tsakafo ho an’olona maro maneran-tany ny harena an-dranomasina ary manan-danja manokana amin’ireo Nosy ary amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Etsy ankilany, mbola loza mitatao ho an’ny rohy voahary andranomasina ny fivelomana ary ny fanjarian-tsakafo ho an’ny mponina amorontsiraka ny jono tsy ara-dalàna. Manimba ny toekarena manga maharitra sy ara-drariny eo anivon’ny faritra ihany koa izany. Fantatra ihany koa fa olana maneran-tany sy mitaky fiaraha-miasa mahomby isam-paritra sy iraisam-pirenana ny ezaka hamahana izany.
Henintsoa Hani