Zava-mahadomelina : lehilahy nahatrarana rongony 150 fonosana

Mpamatsy rongony ao an-tanàna, saron’ny zandary ny lehilahy iray ikoizana amin’ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ao Antanifotsy, ny 1 jona teo. Naharay loharanom-baovao tamina tsara sitrapo, niroso tamin’ny fisavana ny tranon’io lehilahy voatondro io ny zandary taorian’ny fahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Tratra tao ny rongony milanja 500 grama, natao anaty fonosana 150 isa. Amidiny antsinjarany amin’ireo mpidoroka ao an-toerana ihany ireto zava-mahadomelina ireto. Niaiky heloka, efa fanaony ity mi­varotra rongony ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Na­tolotra ny fampanoavana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy.

Tsiferana R.

Partager sur: