Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny jiolahy raindahiny iray, fantatra amin’ny anarana hoe Dah, tao Ambatomanoina Anjozorobe, omaly. Mpiara-miasa tamin-dry Iarisy, izay efa lavon’ny zandary ny faran’ny volana marsa teo, izy ireo. Nanohy ny asa ratsiny hatrany ry Dah sy ny namany. Nihaodihaody tao amin’ny kizo manodidina ny tanànan’i Belavabary, fokontany Anosikely, kaominina Ambatomanoina izy ireo. Maka vatsy sy miafina mpitandro filaminana ireto jiolahy ireto. Teo am-panatanterahana ny paikady hisamborana an’i Dah sy ny jiolahy iray namany, notsenain’ireto farany tamin’ny tifitra ny mpitandro filaminana. Nampiasa ny basim-borona teny aminy ny olon-dratsy saingy tsy nahavoa ny zandary. Vokany, lavo nandritra ny fifampitifirana i Dah. Nirifatra nandositra ilay namany. Latsaka teny amin’ireo mpampihorohoro vahoaka ao amin’ny kaominina Ambatomanoina ireo ny basy vita gasy iray.
Tsiferana R.