Natsingevan’ny rano ny fatim-behivavy iray tao Marotandrano, distrikan’i Mandritsara, omaly. Mpandalo maraina no nahita olona natsingevan’ny rano efa tsy misy aina intsony. Taitra, niantso vonjy tamin’ny manodidina izy hijery ny zava-nisy. Vehivavy mponina anatin’io tanàna io ihany ity hita faty ity. Nikasa hamonjy alim-pandihizana, nivoaka ny trano izy ny alatsinainy alina niaraka tamin’ny sakaizany. “Efa tsy nifankahazo firy tamin’io sakaizany io izy saingy misisika hiaraka aminy ihany ilay lehilahy”, hoy ny loharanom-baovao ao an-toerana. Noho io tsy fifankazahoan-kevitra io, manahy ny fianakavian’ilay vehivavy fa novonoin-dralehilahy izy. Tonga nanao fizahana ny razana ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. Voamarina fa nisy mangana teo amin’ny tendan’ilay vehivavy. Naratra koa ny ambany sofiny. Nahitana lambaoany sy savony manamorona ny rano nahitana ny fatin’ilay vehivavy. “Efa novonoina izy io. Nosarontsaroman’ilay nahavanon-doza tamin’ny fametrahana savony teo amin’io toerana io anefa izany mba tsy hamantarana azy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ity raharaha ity ny zandary ao an-toerana.
Tsiferana R.