Zandary tsy hita : vatana mangatsiaka sisa natsingevan’ny rano

Efatra andro aty aorian’ny nanjavonany, vatana mangatsiakan’ilay mpianatra zandary sisa hita, omaly. Tsy hita na­nomboka tamin’ny sabotsy izy. Nampiahiahy ireo mpiray andiany taminy ny tsy fahitana azy. “Nihazakazaka nanao ny 8 km mahazatra izy ireo ny marain’ny sabotsy teo”, hoy ny kaomandin’ny sekolin’ny zandarimaria. Rehefa nifarana ny hazakazaka, tsy tonga toy ireo namany io mpianatra iray io. Mpivarotra arina fandrehitra sendra nandalo no nilaza ireo namany nitady azy nihazo ny toerana atao hoe An­kofa. Nokarohina, hita nanamorona ny dobo tao amin’io toerana io ny satrony. Tavela teny an-dalana kosa ny kitapo nobabeny. Ankoatra ireo olona an-jatony nampikarohina azy, nampiasa alika mpitsongodia ny zandary. “Nija­no­na teo amin’io rano io koa ilay alika”, hoy ny fanamafisan’ny kaomandin’ny sekoly. Tetsy ankilany, nanahy noho ny fisian’ny zavatra hafahafa amin’io dobo io ny manodidina ka nanao fombafomba, afakomaly. Nitohy nandritra ny alin’ny alatsinainy teo ny fikarohana ilay mpianatra tsy hita ary izao niafara tamin’ny fahitana azy natsingevan’ny rano omaly izao. Maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’io mpianatra namoy ny ainy io ny fianakaviamben’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: