Nampitovy tadin-dokanga tetsy Ankadifotsy, omaly, ireo antoko politika miisa 10, momba ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tena niarahana amin’ny FES sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE). Hiditra amin’ny dingana manaraka ny rehetra aorian’izao.
“Ho arofanina eo amin’ny mpanao politika io sata io. Ambony kokoa ny toe-tsaina miaraka amin’izany noho ny lalàna. Fahatsapan-tena io ary tokony hipetraka ho modely amin’ny maha mpitarika hevitra eny anivon’ ny vahoaka azy ny mpanao politika. Tokony hampilamina ny vahoaka izany satria nifanaiky izahay”, hoy Ravelojaona Manda, avy amin’ ny TGV. Nambaran’ny avy amin’ny MMM kosa, amin’ ny alalan-dRamilison Toky, fa efa eo tokoa ny lalàna mipetraka mba hanan-kery. “Tsy ratsy ny fampiharana izany saingy ezahina hatao kosa ary tsy ao anatin’ny lalàna ny hifampitaiza eo amin’ny fifampitondrana ary koa ny lafiny fitondran-tena mendrika. Tsara kokoa raha mitaha amin’ny lalàna ny sata. Tokony hanaja ny fifampitondrana sy ny teny nomena ireo hanasonia. Tsy ifanerena fa safidy io”, hoy izy.
Fanovana
Ho an’ny RDS kosa, nambaran-dRakoto Andrianirina Fetison fa tokony hovaina ny fomba fanaovana politika na eo aza ny lalàna. Tsy voahaja ilay fitondran-tena ka tsy nampandroso, araka ny nambarany. “Tokony hisy fiombonana amin’ny fomba fanaovana politika, indrindra amin’izao zotram-pifidianana izao. Anisan’izany ny toetra mendrika eo amin’ ny mpanao politika”, hoy izy. Manantena ny tenany fa mbola ho avy ireo antoko hafa hanatevin-daharana azy ireo. Fanombohana ihany izao ahafahana mandresy lahatra ny hafa, araka ny nambarany.
Synèse R.
Nambaran’ny eo anivon’ny FES, Andriambolanoro Mireille fa anisan’ny masontsivana nifidianana ireo antoko miisa 10 ny fananana olom-boafidy maro. Ny efa nahavitana kongresy sy ny nananan’izy ireo tantara teto amin’ny firenena. Eo koa ny fizarana ny fotokevitry ny FES, mifototra amin’ny sosialy demokraty… Miisa 250 ireo mpandray anjara ahitana ny avy amin’ny TGV, Tim, MMM, HVM, RDS, MTS, Arema, Leader Fanilo, Avi, PSD.




