Mitohy ny fitetezam-paritra. Anjaran’ny tany amin’ ny distrikan’Ankazobe indray ny omaly, amin’ny fanazavan’ny antoko Malagasy miara-miainga ny foto-keviny sy ny raharaham-pirenena. Nitarika izany tany an-toerana ny loholona avy amin’ity antoko ity, Rakotondrainibe Ndriana sy ny sasany amin’ny birao politika. “Manohy ny fanabeazana ara-poto-kevitra sy maha olom-pirenena izahay. Andraikitry ny antoko izany na efa tsy misy manao firy intsony aza”, hoy izy. Novelabelariny tamin’izany ny foto-kevitra “Doctrine démocrate-centriste”, niainga tamin’ ny soatoavin’ny “Démocratie-chrétienne”. Nifanakalo hevitra amin’ireo mpanatrika koa izy ireo ary nihaino ny hetahetan’ny mpikambana.
Synèse R.




