Lalam-pirenena fahadimy: kamiao mpitondra entana nihitsoka tao ambany tetezana

Anisan’ny mampihitsoka ny fandrosoana eto Madagasikara ny fahapotehan’ny lalam-
pirenena. Afakomaly, kamiobe mpitatra entana nihitsoka teo amin’ny tetezana, lalam-
pirenena fahadimy tapany voalohany.

Potika ny lalam-pirenena fahadimy tapany voalohany, mampifandray an’i Toamasina sy Am­batohasina, mialoha ny hidirana an’Antaratasy, Pk 35. Fiarabe mpitatitra entam-barotra iray no nihitsoka teo amin’ny tetezam-by nandritra ny ora sivy.

Nilatsaka tamin’ny vy mandrafitra ilay tetezana ny kodiaran’ity fiarabe ity ka nanapaka ny lalana iray manontolo. Fanin­te­lona tamin’ny tranga toy izao ity niseho teo amin’ity tetezana ity saingy mbola mitazam-potsiny ny fahoriam-bahoaka ny sampandraharahan’ny Asa vaventy, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray any an-toerana.

Fantatra fa nihitsoka tao an-toerana hatramin’ny alatsinainy teo ilay kamiaobe mpitatitra entana ka manao antso avo hijerena ny zava-misy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
Nifarimbona
Anisan’ny tafahitsoka teo amin’io toerana io ny manamboninahitra iray ka niantso vonjimaika ny talem-paritra mba handray andraikitra haingana amin’ny trangan-javatra toy izao. Manoloana izany, nifarimbona ny rehetra nanala ilay fiarabe tao an-toerana. Na­ha­ritra ora maro ny fanaovana ny asa.

Sajo

Partager sur: