Fihariana : mahaliana ny tanora ny tetikasa “Titre vert”

Betsaka ireo tanora liana amin’ny fihariana, fa indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ao amin’ny kaominina An­di­lanatoby, distrikan’Am­ba­tondrazaka. Nifarana afakomaly ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mani­ry hisitraka ny tetikasa “Titre vert”, ao amin’ny faitra Alaotra Mangoro. Fan­tatra tamin’izay fa miisa 175 ireo maniry hisantatra sy hisitraka ny tetikasa mifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Fihariana izay tafiditra amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny famoronana asa ho an’ny tsirairay. Indrindra fototry ny fampandrosoana ny kaominina sy ny faritra. Aorian’ny hetsika, hiroso amin’ny fandinihana ireo antontan-taratasy samihafa ny tomponandraikitra. Ho fantatra aori­an’io kosa ireo tanora 100, hisitraka ny tetikasa.
No­ma­rihin’ny tomponandraikitra any an-toerana fa ao anatin’ ny mangarahara tanteraka ny hanaovana izany.

Henintsoa H.

Partager sur: