Ravan’ny miaramila ny andian-jiolahy mpaka an-keriny sady mpandroba tao amin’ny distrikan’i Soavina. Takalon’aina iray votsotra teny amin’ireo olon-dratsy.
Avotr’ireo miaramilan’ny Holafy faharoa ao Soavina, avy ao amin’ny “Bataillon d’infanterie” Fianarantsoa teny am-pelatanan’ny dahalo ny tovovavy iray nalain’izy ireo an-keriny tao amin’ny fokontany Saropody, distrikan’i Soavina, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Voasambotr’ireo miaramila koa ny dahalo roa lahy mpanao takalon’aina ka efa natolotra ny borigadin’ny zandarimaria ao Soavina mba hanadihadiana ny tohin’ity raharaha ity. Voalaza fa nanafika tao an-tanàna ny dahalo ka nikasa haka omby saingy nivadika ho fakana an-keriny olona indray izany. Efa teo am-piomankomanana ny hangataka vola amin’ny fianakaviany ireo dahalo, saingy tonga haingana ny miaramila nisambotra azy ireo. Nanamafy ny eo anivon’ny Tafika malagasy fa mitohy hatrany ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary mangataka fiaraha-miasa amin’ireo olona manam-baovao mba hahafahana manenjika sy mandrava haingana ireny tambajotran-jiolahy ireny.
Jean Claude