Voasoroky ny polisy mialoha ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Antanimalandy, secteur 7, eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitr’i Belobaka sy Amparihingidro, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Jiolahy telo nitondra basy vita tanana sy sabatra lavalela no nanatanteraka fanafihana tamina trano fivarotana enta-madinika. Nikasa hiditra an-keriny handroba tao ry zalahy tamin’io fotoana io. Tsikaritry ny tompon-trano anefa ireto jiolahy ireto ka niantso vonjy izy ireo. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy misahana iny faritra iny nijery ny zava-nisy. Vantany vao nahita ny polisy ireo olon-dratsy dia nitsoaka avy hatrany. Tsy nahatondra ireo fitaovam-piadiana intsony ry zalahy. Nanampy koa ireo mpiara-monina nivoaka ny trano ka nifanome tanana tamin’ireo niharam-boina. Tsy tratra intsony ny mpanafika. Tsy nisy ny entana lasa sy voaroba. Latsaka tamin’ireo jiolahy ny basy vita tanana niaraka tamin’ny kasikety iray. Mitohy ny fikarohana sy ny fanenjehana ataon’ny polisy ireto jiolahy ireto. Nohamafisin’ny polisy fa anisan’ireo efa mpanao fanafihana amin’iny faritra iny ry zalahy ireto.
Jean Claude