Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tetsy Avaradoha, boriborintany fahatelo, omaly maraina. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny lehilahy iray.
Nifaoka moto roa sy fiara tsy mataho-dalana ary sprinter, ny taxi-be iray tapaka hisatra avy any Ampasapito hizotra ho any Avaradoha, omaly tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. Nifatratra avy hatrany tamina moto roa teo alohany io fiara mpitatitra io. Niforitra vokatry ny dona mafy nahazo azy ilay moto ary voatosik’ilay fiara metatra maromaro. Nipitika niala teo ny mpitondra ilay moto faharoa. Mbola nandona fiara 4×4 iray teo alohany sy Sprinter hafa koa ity taxi-be ity. Naratra mafy vokatry ny fifandonana ilay mpitondra moto iray. Nentina namonjy hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy minitra vitsy taorian’ny loza. Naratra mafy ilay mpitondra ny moto iray hafa. Tonga nandray an-tanana ny raharaha teny an-toerana ny polisy. Nogiazana ilay fiara namoa-doza. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy hatao fanadihadiana kosa ilay mpamily io taxi-be io.
Mitsoaka «visite technique»
Araka ny tatitra avy eo anivon’ny tomponandraikitra misahana ny fitsarana fiarakodia, misy amin’ireo taxi-be no mitsoaka fitsirihana. «Manao fidinana ifotony izahay eto anivon’ny DGSR ahafahana mamantatra, manara-maso ireny fiara ireny», hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ io sampana io, ny kapiteny Jacques Didier. Efa antitra ny ankamaroan’ny fiara miasa eto amintsika. Na izany aza, tsy tokony hiandry fitsirihana fa hikolokolo ny fiara ampiasainy ny tsirairay. Notsindrin’ ity farany fa andraikitry ny tsirairay ny fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza tahak’ity tetsy Avaradoha omaly ity.
Tsiferana R.