Andohan’Ilakaka : mpanao vato voatifitra, nifandona ny zandary sy ny fokonolona

Nandrasan’ny olon-dratsy kendry tohina teo akaikin’ny trano fonenany. Maty voatifitra ny lehilahy iray, mpanao vato tao Andohan’Ilakaka, afakomaly hariva.

“Avy nanao afera toy ny fanaony izy ny hariva ka ni­kasa hody. Efa nisy niandry tsy lavitra ny trano fonenany anefa izy ka notifirin’ny jio­lahy avy hatrany”, hoy ny zandary. Vao nidaraboka ta­min’ny tany, mbola nozerain’ ireo olon-dratsy famaky ny lohan’ilay lasibatra. Mbola norobaina ny vola sy ny basy iray mialoha ny nandosiran’ ny olon-dratsy. Nanara-dia niaraka tamin’ny fokonolona ny mpitandro filaminana. “Nifarana teo amin’ny 9 km atsinanan’ny toerana nitrangan’ny famonoana ny dia.

Lehilahy iray naneho fi­hetsika hafahafa ary nahi­tana ra ny akanjony”, araka ny fanamafisan’ny zandary
ao an-toerana. Nentina natao fanadihadiana ilay voasam­botra.
Tora-bato

Nokasain’ny fokonolona halaina an-keriny tao amin’ny zandary ilay lehilahy atao fanadihadiana. Nidina ifotony nifampiresaka tamin’ny olobe tao an-toerana ny lehiben’ny mpitandro filaminana. Tetsy ankilany, “Leo izahay, mate­tika lasibatra ka aleo hatao fitsaram-bahoaka”, hoy ny fokonolona, omaly maraina.

Raikitra ny tora-bato teo amin’ny biraon’ny zandary. Voatery nanao fampitandremana ta­min’ny alalan’ny tifi-danitra ny mpitandro filaminana. Tsy nifarana ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny fokonolona raha tsy tamin’ ny 11 ora sy sasany atoandro. “Nipa­ritaka ihany ny fokonolona ny farany”, hoy ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: