Lavon’ny balan’ny polisy tao Vohitrarivo Vangaindrano, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Efa tratra izy, saingy nikasa hitsoaka tampoka ka voatifitra. Naharay fitoriana ny polisy ao Vangaindrano fa nisy jiolahy nanafika tao amina tokantrano iray ao Antsorolala, fokontany Sahavoangy, kaominina ambanivohitra Fonilaza, distrikan’i Vangaindrano, ny 26 mey 2023 teo. Voalazan’ireo niharam-boina fa sady hangalatra izy ireo no nikasa hamono ihany koa. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny polisy fa ekipan-dry Manambitana (jiolahy raindahiny malaza amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny) ireto jiolahy nanafika ireto izay tsy zoviana amin’ny mponina ao an-toerana. Efa nampikaikaika ny vahoaka any, amin’ny asan-jiolahy, ry zalahy ireto. Niroso tamin’ny fisamborana ity jiolahy ity ny polisy afakomaly. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fisamborana ary nanaiky ny hanondro ny namany rehetra mpiara-manao asa ratsy aminy. Nentin’ny polisy izy mba ahafahana misambotra ireo namany ao Vohitriarivo, kanjo nirifatra nitsoaka tampoka. Voatery nitifitra azy ny polisy ka maty tsy tra-drano izy noho ny ratra mafy nahazo azy.
Jean Claude