Bel’Air Talatamaty : lehilahy saika handefa vola sandoka tamina Cash-point

Noraisim-potsiny! Voa­sam­botry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Tala­tamaty, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka marobe saika halefa tamina Cash-point iray eo Bel’Air, Talatamaty. Tonga nampandre ny zandary ny olona iray mpanao Cash- point tamin’io fotoana io (tamin’ny 7 ora sy 30 mn), fa misy lehilahy iray saika handefa vola teo aminy saingy tsikariny fa hafahafa toy ny vola sandoka ireo vola any aminy. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’ity lehilahy ity niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina 8 hetsy Ar, mitsinjara amina lelavola 20 000Ar miisa 40. Mipetraka any Marotampona, distrikan’i Fenoarivobe ity lehilahy ity fa tonga manaparitaka vola sandoka amina Cash-point aty an-drenivohitra.

Jean Claude

Partager sur: