Nanjavona ny depiote: nody maina ny governemanta

Zara fa nisy depiote nandray ny fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, omaly, teny Tsimbazaza. Nahemotra ny ady hevitra teo amin’ny roa tonta.

Voatery nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny adihevitra momba ny tatitra nataon’ny governemanta, araka ny tapaky ny depiote, tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana. Nahan­ja­hanjan’ireo solombavambahoaka, nandritra ny ora iray mahery, niandry teo amin’ny toerany ireo minisitra, notarihin’ny lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian. Depiote iray monja no nandray azy ireo teny am-piandohana. Niandry minitra maromaro taty aoriana, nipoitra teny amin’ny “Dongona – Perchoir” ny filoha lefitry ny Antenimiera avy any Fia­narantsoa, Razafintsiandrao­fa Brunelle. Nanjavona kosa ireo namany hafa eo anivon’ny birao maharitra.
Niteraka adihevitra ny zava-niseho, indrindra ny hirosoana na tsia amin’ny fifanatrehana eo amin’ny andrimpanjakana roa tonta. Niva­dika fifanjevoana teo amin’ny samy depiote indray anefa ny toe-java-nisy teny an-toerana. “Tokony hohajaina ny hasin’ny andrimpanjakana ka tokony ho feno ianareo birao maharitra. Miisa 13 ianareo ao ka afaka milaza raha misy tsy afaka hosoloinay… Afaka mametra-pialana koa ianareo fa tsy mety ny tahaka izao”, hoy ny sasany. Niaiky koa ny hafa fa tsy mifanome hasina ny samy depiote. “Matsatso ny mpitarika ka aleo hajanona raha tsy feno ary ahemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra izany”, araka ny hevitry ny sasany. “Ahemory any io”, hoy ny depiote “Del kely”.
Zara fa nisy tonga

Araka izany, nolanian’ireo depiote miisa 18 tamin’ny tsangan-tanana fa hahemotra ny fihaonana. Folo ny solombavambahoaka, nitaky ny ha­nohizana ny adihevitra. Nan­javona araka izany ny ankamaroan’ireo mpanao lalàna ao Tsimbazaza.
Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona lasa ny tsy fifankahazoana eo amin’ny andrimpanjakana roa tonta. Nandrehitra ny afo ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta nokasain’ireo depiote miisa 100 mahery. Zary lasa lonilony mandraka izao ny tsy fahatanterahan’izany.
Marihina fa manana ny maro anisa ny eo anivon’ny IRD, saingy zara fa nisy tonga nivory. Anisan’ny tsy teo ny filohan’ny Antenimierampi­renena sy ireo birao maharitra sasany, toy ny TGV sy ny Tim ary ny tsy miankina. Samy tsy naharaisana fialan-tsiny avokoa anefa izy ireo.
Anisan’ny tsy nahafaly ny depiote koa ary tsy levon’ny vavon’izy ireo ny tsy nahafahana nametra-panontaniana nandritra ny tatitra nataon’ny minisitra, ny 24 hatramin’ny 31 mey. Ankoatra ny tsy nandefasana mivantana amin’ny TVM/RNM ny fihaonana, tokony ho natao omaly.

Manao rodobe

Efa tsy nisy tatitra tahaka izany koa tamin’ny herintaona fa nilaozan’ny depiote ny minisitra.
Na izany aza, manao rodobe manotrona ny filohan’ny Repoblika hatrany ny depiote IRD. Anisan’izany ny tany Ambositra sy ny tany Mana­nara Avaratra ary Maroan­tse­tra iny. Midika izany fa tsy mbola miravona ny disadisa eo amin’ny governemanta sy ny depiote, hatramin’izao.

Synèse R.

Partager sur: