Filankevitry ny minisitra : faritra faha-24 Ambatosoa

Eo anivon’ny minisite­ran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, noraisin’ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoe­li­na teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, ny volavolan-drijantenin-dalàna momba ny fananganana Faritra vaovao any amin’ny tapany avaratry ny Faritanin’i Toamasina, izay antsoina hoe Faritra Amba­ta­soa. Mandrafitra izany Faritra vaovao izany ny distrikan’i Maroantsetra, ahitana kaominina 20 sy ny distrikan’i Mananara Avaratra, ahitana kaominina 16.
I Maroantsetra no voatendry ho renivohitry ny Fa­ritra.

R. Nd.

Partager sur: