Vola ho amin’ny fifidianana : nampanantena vahaolana ny Atitany

Nanala ny ahiahin’ny maro na tsy hokitihina na hahitsin’ny depiote aza ny tetibola “LFR”. Nambaran’ ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin, omaly, fa hampafantarin’izy ireo tsy ho ela ny tena tetibola farany ilaina amin’ny fanatanterahana fifidianana. “Mana­na anjara biriky amin’izany ny fitondram-panjakana. Eo koa ny ifampiresahana amin’ ny mpiara-miombona antoka afaka mamatsy vola ka tsy maintsy hotanterahina amin’ity taona ity ny fifidianana”, hoy izy.
Nitondra valin-kafatra ho an’ireo mpanao politika sa­sany koa ny tenany momba ny fitakian’izy ireny ny ha­moahana ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy. Nan­teriny fa tsy misy sakana ny amin’izany. Tsy maintsy ha­voaka izany rehefa tonga ny fotoanany, araka ny nambarany hatrany. “Mbola ao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna isika izao. 90 andro mialoha ny fifidianana no to­kony hamoahana izany farafahatarany”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: