Vono olona : mpivady niara-maty voatetika famaky

Niakatra fampanoavana afakomaly, niara-nidoboka am-ponja ireo jiolahy telo nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana mpivady, tao Ankadimasina fokontany Tsarahasina, Kaominina Manohisoa, Distrikan’i Betafo.

Lonilony namoa-doza! Mpivady niara-namoy ny ainy, vokatry ny vono nataon’ny jiolahy tao an-tokantranony, ny alin’ny 31 mey hifoha ny 1 jona lasa teo. Niakatra tamin’ny alalan’ny tohatra nentin’izy ireo teo amin’ny lavarangana ireo I. moramora ny trano nisy azy mivady, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Tsy nisy alaharo, avy hatrany dia vely famaky. Nokapaina tamin’ny antsibe ihany koa izy ireo. Vo­kany, naratra mafy ireo mpivady ka tapitra ny ainy. Poa toy izay, nirifatra nandositra ireo olon-dratsy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpi­tandro filaminana taorian’ny fampandrenesan’ny ma­nodidina. Vaky tanteraka ny lohan’ireo mpivady. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny zandary.

Enina voasambotra
Olona enina anisan’ny nahiahiana voasambotra ta­min’ity tranga vono olona ity. Rehefa natao famotorana, nisy tamin’izy ireo niaiky fa namono ireo mpivady. Noho ny disadisa nisy teo amin’ny fiarahamonina, no­karamain’ny atidoha ni­ko­trika ireo jiolahy. Niakatra fampanoavana ny raharaha afakomaly ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja ny telo ka anisany ilay tomponantoka. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo telo hafa. Mbola misy naman’ireo nidoboka am-ponja kosa karohina.

Tsiferana R.

Partager sur: