Nanao fanambarana iraisana ireo antoko politika miisa dimy, ahitana ny MMM, HVM, MTS, MFM ary ny Ampela manao politika, omaly. Tratry ny angaredon’izy ireo ny Ceni sy ny mpanatanteraka manoloana ny fanomanana ny fifidianana sy ny sosialim-bahoaka.
Nohitsin’ny fanambarana fa natao tao anatin’ny fanitsakitsahana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ka tsy nahatrarana ny tanjona napetraka. “Tonga hatrany amin’ny famafana ny anaran’ireo olom-pirenena efa voasoratra tao anatin’ny lisi-pifidianana izany”, hoy izy ireo. Nohelohin’ireo antoko ireto koa ny naoty noraisin’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni. Tsy ara-dalàna satria manitsaka ny tetiandro notapahana ny 31 marsa teo ka mamadika ny datin’ny 10 jona, tokony ho famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana, araka ny fanambarana hatrany. “Helohinay koa ny teny navoakan’ny filohan’ny Ceni tamin’ny fivoriana niarahana tamin’ny rantsan’ny CED, ny 8 jona teo, nanapaka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna fa ny 17 jolay indray ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ireto antoko ireto fa ilaina ny fanitsiana ireo lesoka rehetra avy amin’ny Ceni ireo.
Etsy andaniny, hentitra ireto antoko ireto nilaza fa tsy vitan’ny mpanatanteraka ny miaro ny zo fototry ny olom-pirenena.
Tsy hita ny fanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka
Nohelohin’izy ireo ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny tsirairay, ny herisetra atao aminy. “Eo koa ny tsy fisian’ny fanapahan-kevitra hentitra hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy hitondra fitoniana amin’ny fikarakarana ny fifidianana milamina anefa ireo savorovoro sy fahasahiranana ireo”, hoy ihany izy ireo. Notsiahivin’ny fanambarana ny tantara fa hiteraka korontana eo amin’ny vahoaka sy ny toekarena ny fizirizirian’ny mpanatanteraka sy ny Ceni, amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy maneho ny mangaraharaha ny Ceni sy ny governemanta amin’ny fanaovana ny lisi-pifidianana. Tahaka izany koa ny amin’ny vola hikarakarana ireo fifidianana rehetra ho avy. Manampy trotraka izany ny fitanilan’ny fanjakana manoloana ny fanaovan’ny fahefana mpanatanteraka hetsika politika, mampiasa fahefam-panjakana. Niantso ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo ho mailo sy ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fanaovana ny lisi-pifidianana sy ny fizotran’izany. ”Isorohana ny korontana, tsy hitondra tombony ho an’iza na iza izany”, hoy izy ireo.
Araka izany, manaitra ny mpisehatra rehetra ireto antoko dimy ireto, manoloana izany olana rehetra izany.
Synèse R.




