“Mihazakazaka ny governemanta fa ho avy ny fifidianana ka manao fanambarana be dia be. Eo ny fananganana ny faritra faha-24 Ambatosoa. Tsy azo atao petatoko ny zava-drehetra. Aiza ny vola hanatanterahana an’izany? Nefa tsy atao ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana”, hoy ny depiote, Ratsiraka Roland.
Tao anatin’ny 60 taona, tsy mbola nahita ny tsy fisian’ny lalàna fanitsiana ny tetibola izy. Mety ho diso ny fijeriny amin’izany, araka ny nambarany. Tsy misy fanitsiana lalàna mifehy ny tetibola izao. Hatao sa tsia ny fifidianana ? Aiza ny vola ? Mila vola amin’izany ny Ceni.
Miteny ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy mbola vonona hamatsy vola amin’ny fifidianana noho ny olana marobe. Eo ny fitakian’ny mpanohitra ny fanatsarana ny Ceni; ny fahalalahana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana raha ny fitondrana ihany no mahazo manao an’izany. Avy aiza ny famatsiam-bolan’ny mpirotsa-kofidina sy ny hanaovana fampielezan-kevitra? Antony mahatonga ny iraisam-pirenena tsy mamatsy vola ny fifidianana ireo.
R. Nd.




