Iles Eparses : hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana i Rosia

Fiaraha-miasa sy fifandraisana efa ampolo taonany maro ny misy eo amin’i Rosia sy i Madagasikara.

Tontosa, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, eny Ana­la­mahitsy, ny fankalazana ny andron’i Rosia. Fotoana natao hahatsiarovana ny na­nambarana ny fiandrianam-pirenen’ny Rosianina ny 12 jona. Manampahefana maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana tamin’izany lanonana izany. Samy nanambara ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’i Mada­ga­si­kara sy i Rosia ny ma­soivohon’i Rosia, Andreev Andrey Vladimirovich, sy ny solontenan’ny fitondram-panjakana malagasy, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Fahatsiarovana ny datin’ ny 12 jona 1990, nanambarana ny fiandrianam-pirenen’i Rosia no nankalazaina, omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia. Niray fo nankalaza izany tamin’ny ma­soivohon’i Rosia ny solontenan’ny fitondrana malagasy, nahitana an-dRazafimahefa Herimanana, filohan’ny Ante­ni­mierandoholona, sy ny Jly Rakotoarijaona Josoa, minisitry ny Fiarovam-pirenena, ary Razafintsiandraofa Jean Brunelle, filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Nandritra ny kabary na­taon’ny masoivohon’i Rosia no nanambarany fa manohana ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fitakiana ny Nosy manodidina ny Ro­sianina. Ankoatra izay, mitohy hatrany ny fanohanan’ny Rosianina an’i Mada­ga­sikara amin’ny fananganana toekarena tsy miankindoha, ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, fanofanana manam-pahaizana ho an’ ny firenena sy fanolorana va­tsim-piana­rana ho an’ny zaza malagasy ary ny eo amin’ny lafiny fa­hasalamana.
Tetsy ankilan’izay kosa, nanambara ny Jly Rakotoari­jaona Josoa, nandritra ny fandraisam-pitenenany, nisolo tena ny fitondram-panjakana malagasy fa tsy miandany amin’iza ny firenena malagasy ao anatin’ny ady atrehan’i Rosia amin’izao. Nanamafy kosa anefa izy fa mitohy hatrany ny fiaraha-miasa sy fifandraisana eo amin’ny firenena malagasy sy ny Rosianina.
Firenena anisan’ny ma­nana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao i Rosia. Na eo amin’ny jeografia, na eo amin’ny fiteny, indrindra ny eo amin’ny tafika.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: